Ny famehezana ny fitiavana
Mianatra ny kanton'ny fifandraisana
Ao amin'ny famehezana ny fitiavana , i Don Miguel Ruiz dia manazava tsara ny finoana sy ny fiheverana mifototra amin'ny tahotra izay manakana ny fahafahantsika mitia ary miteraka fifandirana sy fijaliana eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Tamin'ny alalan'ny tantara ary ohatra matanjaka mba hanomezana aina ny hafatra tiany hampitaina , ny panoratra dia manoro antsikany fomba fanasitranana ny ratra ara-pihetseham-pontsika , ny fomba hahazaona indray ny fahafahana sy fifaliana izay zontsika hatramin'ny fahaterahana ary ny lalaon'ny saina , tsy afa-miala amintsika raha te hanana fifandraisana feno fitiavana.
Ny famehezana ny fitiavana dia mirakitra :
-Ny lakozia mahagaga
-Ilay mpihaza avy amin'andriamanitra
-Ny lalan'ny tahotra , ny lalan'ny fitiavana
-Ny fanasitranana ny vatana ara-pihetseham-po
" Ny fahasambaranao dia tsy afaka ho tonga avy amin'ny zavatra ivelany fa avy ao anatinao ihany ary izany dia vokatry ny fitiavanao. Rehefa tonga saina ianao fa tsy misy olona afaka mampifaly anao ary koa hoe ny fahasambaranao dia vokatry ny fitiavanao irery dia ho hitanao ny famehezana lehibe indrindra amin'ny toltecs : Ny famehezana ny fitiavana "
_JPG.jpg)
